Ny anarana hoe JESOSY

Lesona 6 ho an’ny
6 Febroary, 2016
Inona no hevitry ny anaran’ny Mpamonjy araka ny Matio 1:20-23?
Ny anarana hoe JESOSY (“Jehovah no Mpamonjy”) sy ny IMANOELA (“amintsika
Andriamanitra”) dia mampiseho ireo tanjona roa fototry ny iraka ataon’ny Mpamonjy:
mamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana ary mamerina indray ny fifandraisantsika
amin’Andriamanitra.
Mitady sy mamonjy ny very (Lioka
19:10)
JESOSY
Mamonjy amin’ny
fahotana
Manaisotra ny fahotana (Jaona 1:29)
Manelanela aho antsika (Hebreo
2:17)
Mamerina indray @ laoniny ny fanapahana
izay verin’i Adama (Romana 5:12, 15)
Mamerina indray @
laoniny izay noravan’ny
fahotana
Manasitrana (Matio 9:35)
Manapaka ny zava-boary (Matio
8:27)
Inona no hevitry ny anaran’ny Mpamonjy araka ny Matio 1:20-23?
Ny anarana hoe JESOSY (“Jehovah no Mpamonjy”) sy ny IMANOELA (“amintsika
Andriamanitra”) dia mampiseho ireo tanjona roa fototry ny iraka ataon’ny Mpamonjy:
mamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana ary mamerina indray ny fifandraisantsika
amin’Andriamanitra.
IMANOELA
Mandroaka demonia (Marka 1:27)
Manafaka
antsika @ i
Satana
Mitsara (Jaona 9:39)
Mandrava ny asan’ny devoly (1 Jaona 3:8)
Maneho
an’Andriamani
tra amintsika
Afaka mahita ny tena toetran’Andriamanitra
isika amin’ny alalan’ny fiainana sy ny asa
fanompoany: “Izay nahita Ahy dia nahita ny
Ray.” (Jaona 14:9)
“Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay
avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza
aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo.” (Matio 3:11)
Jaona Mpanao batisa
dia nilaza mialoha ny
amin’ny asan’i Jesosy
amin’ny mahampitsara Azy, tamin’ny
alalan’ny ohatra
samihafa:
Nanamarina ny tany i
Jaona mba ahatonga
ny tsirairay ho vonona
hanaiky ny Mpamonjy
(Isaia40:1-5).
Ny fahatezerana ho avy
(Matio 3:7).
Ny famaky efa mipetraka
eo amin’ny fototry ny
hazo (Matio 3:10).
Ny fikororohany efa
vonona hanadio tsara ny
vary eny am-pamoloany
(Matio 3:12).
Ny akofa sy ny mololo
hodorany amin’ny afo tsy
mety maty (Matio 3:12).
Eto, dia naneho tamin’ny olona ny fahotany izy, ary niantso azy ireo ho amin’ny
fibebahana dieny mbola tsy tonga ny fitsarana izay ho avy tsy ho ela.
“Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba
halain'ny devoly fanahy.” (Matio 4:1)
“Raha nentina nankany an’efitra mba
halaim-panahy Jesosy, dia ny
Fanahin’Andriamanitra no nitondra
Azy. Tsy nitady ny fakampanahy Izy.
Nandeha tany an’efitra Izy mba ho irery,
handinika ny iraka nampanaovina Azy
sy ny asany. Amin’ny alalan’ny fifadiankanina sy ny fivavahana dia hampahery
ny tenany Izy hiatrehany ny lalana
voapentin’ny ra izay tsy maintsy
hodiaviny. Fantatr’i Satana anefa fa
nankany an-efitra ny Mpamonjy, ka
noheveriny fa io no fotoana mety
indrindra hanatonana Azy.”
E.G.W. (Ilay Fitiavana Mandresy, tk. 11, pj. 103)
“Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha
Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto
vato ireto.” (Matio 4:3)
Nihaona nifanatrika ireo mpandray anjara fototra amin’Ilay
Fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy. Nody niseho ho
“nanampy” an’i Jesosy Satana tamin’ny nanolorany vahaolana ho Azy
hanamaivanana ny hanoanany.
Niatrika io toe-javatra io Jesosy toy ilay iray ao amin’ny Deotoronomia
8:2-3
 40 taona tany an-efitra ho
an’i Israely = 40 andro tany
an-efitra ho an’i Jesosy.
 Samy nozahan-toetra izy
ireo raha afaka hitandrina
ny didin’Andriamanitra.
 Noana izy ireo.
Niaiky i Jesosy fa tsy afaka nanome mofo ho an’ny
tenany Izy. Tsy maintsy niandry an’Andriamanitra Izay
hanome ho Azy izany amin’ny fotoanany Izy. Satria:
“Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny
rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.”
“Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo
an-tampon’ ny tempoly, dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao,
mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary
eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny
tongotrao.” (Matio 4:5-6)
Nohantsiana i Jesosy mba hanaporofo fa Izy no
Zanak’Andriamanitra, ary hampiseho fa mahatoky
tanteraka amin’ireo teny fikasana, izay naolana, avy
amin’Andriamanitra Izy.
Nahatsiaro ny tantaran’i Israely tany an-efitra indray
i Jesosy: “Aza maka fanahy an'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo
fanahy Azy tao Masa.” (Deotoronomia 6:16).
Tao Masa, dia nanontany ny
vahoaka hoe: “Eto aminay va
Jehovah, sa tsia?” (Eksodosy
17:7). Mifanohitra amin’izany,
nino i Jesosy fa niaraka
taminy Andriamanitra. Tsy
nilainy ny nanaporofo
an’izany.
“Fa hoy Jesosy taminy:
Mandehana ianao, ry Satana: fa
voasoratra hoe; Jehovah
Andriamanitrao no hiankohofanao,
ary Izy irery ihany no
hotompoinao.” (Matio 4:10)
Nasehon’Andriamanitra an’i Mosesy teo an-tampon’ny
tendrombohitra Pisga ny Tany Kanana. Toy izany koa,
nasehon’i Satana an’i Jesosy ny “voninahitr’” ireo
fanjakana eto amin’izao tontolo izao (sy ireo fahoriana
rehetra nataony).
Nanambara mafy mihitsy i Satana fa izy no mifehy
an’izao tontolo izao toy ny hoe izy no Andriamanitra.
Hanome ny zavatra rehetra ho an’i Jesosy izy raha
toa ka manao fihetsika kely maneho fiankohofana i
Jesosy.
Niankohoka tamin’ilay menara i Adama sy Eva
tao Edena; nomeny azy ny fahatokiana
tanteraka izay tokony ho an’ny Mpamorona
irery ihany. Nahatoky tamin’Andriamanitra
irery ihany i Jesosy tany an-efitra.
Tonga teto amin’izao tontolo izao ity i Jesosy: hamerina indray amin’ny laoniny ny
fanapahana izay nosolokin’i Satana, handrava ny asan’ny ratsy, hamonjy ny mpanota ary
haneho an’Andriamanitra amin’izao rehetra izao.
Ny fitaovam-piadiana izay nentin’i Jesosy niady tamin’ny fakam-panahy dia atolotra koa
ho antsika: ny sabatry ny Fanahy, dia ny Tenin’Andriamanitra (Efesiana 6:17).
“Fantsona fifandraisana amin’Ilay
Andriamanitra velona ny
Tenin’Andriamanitra. Izay mihinana
amin’zany Teny izany dia hamokatra be
amin’ny asa tsara rehetra. Izy ... no ilay
nahita ny harena an-kibon’ny tanin’ny
fahamarinana ka tsy maintsy miasa mafy
hikatsahana ilay harena nafenina. Rehefa
voahodidina fakam-panahy [izy], dia ny
Fanahy Masina no hamerina ao an-tsainy
ireo teny izay hanoherany ny fakampanahy amin’iny fotoana iny indrindra,
izay tena ilany azy indrindra, ka dia azony
ampiasaina izany.”
E.G.W. (The faith I live by, 2 Janoary)